Mihanaka ny tsimok’aretina covid-19. Efa tonga eny anivon’ny biraom-panjakana sy ministera eny amin’izao fotoana izao.
Minisitra vavy iray amperinasa izao no fantatra fa voatery mihiboka ao an-tranony mandritra ny 14 andro. Efa nanao fitiliana izy ary miiba ny valin’izany, saingy misy amin’ireo mpiambina azy akaiky ary koa Tale iray misahana ny mpiasa eo anivon’ny ministera iadidiany no voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina covid-19, ka nandraisana an’io fepetra fihibohana io, ho fiarovany ny tenany sy ny ankohonany ary ireo mpiara-miasa aminy ihany koa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.