Politique

Governemanta Manomboka mazava ny fanovana azy


  • Talata 12 Janoary 2021

Naneho ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga omaly,

 

 

 

 fa tsy mbola nisy nahavita ny vitan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tao anatin’ny roa taona. Milaza ny fitondrana nifandimby ankoatra ny Filoha Tsiranana ka nahatsangana ny fotodrafitrasa natsangan’ny Filoha tao anatin’ny 2 taona, hoy izy. Nambarany fa sekoly 40 mahery tao anatin’ny 2 taona, oniversite 4 goavana, hopitaly manara-penitra 10 no efa vita ankehitriny, CSB II efa ho 100,… Tsy ao anatin’ny PIP (Programme d’Investissement Public) no hanaovana ny tetikasa goavana. Niato sy nihemotra noho ny zava-nisy. Toa naneho ny hisian’ny fanovana mpikamban’ny governemanta kosa izy, izay naneho fa raha mety avokoa ireo minisitra dia efa vita 100% ny tetikasa nentina tamin’ny 2019 no vita. Raha ny vinan’ny Filoha tsy tokony ho ohatr’izao ny zavatra mitsangana mihoatra an’i Madagasikara fa mihoatra an’izao, hoy izy. Misy ny nahavita ny adidiny, misy tsy nahavita, misy tsy ampy. Ny Filoha sy ny Praiminisitra no tena tompon’ny teny farany. Izay tena mahavita ny velirano, misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka, raha ny nambarany. Ara-politika, nilaza ny tenany fa tsy misy fanenjehana olona tsy mitovy hevitra. Raha misy tsy mitovy hevitra, dia ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa migadra ve izy ireo? Tsy mitovy ny fanaovana politika sy fanenjehana sy fanozonana mpitondra Fanjakana. Raha misy mpitondra teo aloha dia zavatra nataony (actes), fa tsy amin’ny maha izy azy no nanenjehana azy, hoy i Rinah Rakotomanga. Ara-pahasalamana kosa dia nambarany, fa tsy hisy fihibohana izany eto, ary miresaka amin’ny eo anivon’ny fahasalamana foana izy.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT