Politique

Governemanta Mamofompofona fikitihana…


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Mamofompofona fikitihana governemanta any an-dapa any amin’izao fotoana izao.

 

 


 Re siosio ny mety fifanovan-toerana eo amin’ny samy mpikambana ao anatin’ny governemanta. Isan’izany ny mety hamindrana ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ankehitriny Dr Sahondraharimalala Marie Michelle ho Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Ity farany izay marihina fa sady mpitsabo no mpahay lalàna, nanana andraikitra teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no napetraka ho Minisitry ny fanabeazana. Isan’ireo olona azo ambara ho akaiky sy tena itokisan’ny Filoham-pirenena. Mety hafindra ho Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa kosa ny Minisitry ny fahasalamana Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Mety hoesorina amin’ny toerany ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony ankehitriny Pr Assoumacou Elia Béatrice, raha zohiana amin’io resaka mivoaka io, izay marihina etoana fa mbola tsy ofisialy. Mety ho paikady hoentin’ny Fitondram-panjakana mampangatsiaka ny toe-draharaha sy olona mianjady amin’ny anjerimanontolo ankehitriny, ka tsy maintsy mitady “fusible” hoenti-manapaka ny sakoroka samihafa.

TRATRY NY TSINDRY NY FITONDRANA

Sarotra ny toe-draharaha ara-politika ankehitriny, ary hatramin’ny Praiminisitra aza roa na telo volana lasa izay, dia efa nandeha ny siosion-dresaka fa mety hovaina, saingy mbola betsaka ny adihevitra ka nangingina. Isan’ny anarana voatonontonona Atoa Paul Rafanoharana manamboninahitra tao amin’ny tafika Frantsay, Atoa José Vianey, Atoa Serge Zafimahova,… saingy tsy nisy tohiny intsony hatreto. Atoa Paul Rafanoharana izay efa niara-niasa tamin’ny Filoha Rajoelina tamin’ny tetezamita no voalaza fa somary andrian’ny sainy, saingy misy amin’ireo akaiky ny Filoha sy tena nametraka azy no tsy mankasitraka. Ny tapaky ny janoary moa no nilaza ny Tale Kabinetran’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, fa tsy hisy fanovana governemanta ato ho ato, saingy ny zava-misy, ny toe-draharaha ara-politika,… dia mety hanery ny Fitondrana hiditra amin’izany. Misy aza ny ankolafin-kery maneho, fa mila ravana tanteraka ny governemanta ankehitriny ahafaha-manorina ny governemanta tan-dalàna sy mandala ny demokrasia, hanova ny lalàmpanorenana, hanova lalàm-pifidianana, hametraka fitsipi-dalao mazava,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT