Politique

Governemanta Ho avy ihany koa ny “cyclone” ?


  • Zoma 04 Jona 2021

Fanapahan-kevitra sy fahasahiana lehibe ny an’ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany nanala olona izay sokajiana ho nanana hery na “influence”

 

 

  tao anatin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Fanjakana manontolo, ary tena nahalala zavatra sy tsiambaratelo maro. Mety ho fiaingana ara-politika vaovao ho an’ny Fanjakana ihany koa anefa ny fanovana tahaka izao, mba entina hanehoana amin’ny vahoaka fa mitsoka ny rivo-baovao. Ho vita amin’iny ny fikitihana sy fanalana olona sa hiitatra any amin’ny sehatra hafa? Mitodika any amin’ny governemanta ny mason’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao. Ho sahy hikitika sy hanaisotra ny Praiminisitra ve ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Atoa Ntsay Christian, izay naneho ny tapaky ny volana mey teo: “Tompon’ny teny farany amin’ny fanovana na tsia ny governemanta ny Filoham-pirenena. Izy no mijery raha hosoloina manontolo na fanintsiana amin’ny ampahany”, hoy Atoa Ntsay Christian. Izy izay naneho, fa ao anatin’ireo olona hanaovan’ny Filoham-pirenena tombana. Efa nanipy teny ihany koa ny Filoham-pirenena, fa hotsaraina amin’ny asany mpikamban’ny governemanta. Maro ny lesoka, tsy vitsy ireo tsy mahavita ny asany mba tsy hilazana fa saika izy manontolo. Manakaiky ny tsio-drivotra na “cyclone” eo anivon’ny governemanta, raha ny lojika politika misy, ary efa nisy ny feo nandeha omaly momba ny mety hisiana fanovana. Maro rahateo ny lesoka sy raharaha nahakasika mivantana na ankolaka ny minisitra sasany: ahiahy tamina kolikoly sy kiantranoantrano, fanapahan-kevitra manohintohina ny fampiharana ny lalàna, tsy fahafehezana ny olom-pehezina niteraka korontana sy savorovoro, fanapahan-kevitra sy taratasim-panjakana miparitaka tsy lera nanaratsy endrika ny fanjakana, fanapahan-kevitra mifanipaka, tsy fahafehezana ny olam-bahoaka samihafa,… Mitoetra hatrany ihany koa ny lonilony politika eo amin’ny samy akaiky ny Filoha ateraky ny tsangan’olona ao anaty governemanta satria tsy ireo tena nitolona no mitondra, kanefa tsy mahavaha olana. Mino ihany koa ve ny Filoha fa io governemanta io no hahavita hanatratra ny fanamby apetrany ao anatin’ny roa taona sy tapany farany hitondrany ny firenena ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT