Governemanta Beriziky

> Hametra-pialana anio


  • Sabotsy 25 Janoary 2014

Tsy hiandry ela fa anio ihany aorian’ny fahavitan’ny fianianana ka hametrahana amin’ny toerany ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahefatra, Hery Rajaonarimampianina dia ho rava ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihin’i Beriziky Jean Omer.

Nanamafy izany ny tenany nandritra ny fandaharana «L’Invité du Zoma» nanasan’ny mpanao gazety Onitiana Realy azy, fa dia hametra-pialana ny governemanta tarihiny anio, ka anjaran’ny filoham-pirenena vaovao no mandamina ny tohiny, na mbola hitazona azy ireo hanohy ny fampandehanan-draharaha mandra-panendry ny praiminisitra vaovao na tsia. Fanajana ny fomba fanao amin’ny tany manaja ny sata repoblikanina no antony, araka ny fazanavany, na tsy misy lalàna manery azy hametra-pialana avy hatrany aza. Nanipika mazava i Beriziky Jean Omer nandritra io fandaharana io fa tsy mieritreritra ny ho kandida praiminisitra amin’ny fitondrana vaovao eo ny tenany. Ny 28 oktobra 2011, taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra, i Beriziky Jean Omer no voatendry tamin’io toeran’ny praiminisitra hitarika ny governemantan’ny firaisam-pirenena io, nandimby toerana an’i Camille Vital. Praiminisitra faha-16 teo amin’ny tantaran’ny fanjakana malagasy izy. Sady praiminisitra i Beriziky Jean Omer no nisahana ny asan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala tamin’izao fiafaran’ny tetezamita izao.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT