Politique

Gilbert Raharizatovo “Tsy misy afaka hiaro tombotsoa mandrakizay izany”


  • Talata 16 Febroary 2021

Miverina ny tantara isaky ny 16 taona na 20 taona eo na mbola tsy azo sokajiana hoe fihetseham-bahoaka aza io miseho io hatreto,

 hoy Atoa Gilbert Raharizatovo alina tao amin’ny fahitalavitra Real TV Madagascar. Ny Filoha lefitry ny CENI no ohatran’ny nampiahaka teo ambony latabatry ny CENI ny raharaha “doublon”. Efa tonga teto ny mpanara-maso iraisam-pirenena, ary ny SADC sisa nandrasana, saingy avotra ny Mpitondra. Niainga tamin’ny “doublon” ny fihetsehana. Misy vondron’olona toy ny Fanjakana iray mifehy Fanjakana miaro tombotsoa mametraka mpitondra eto. Tsy hisy hihazona tombotsoa mandrakizay, fa tsy maintsy mipoaka io na hoe ela na ho haingana, ka mila mijery ny firenena amin’izay. Momba ny mpitondra ankehitriny na ny hafa kosa aza, dia betsaka ny fampanantenana nalefa tamin’ny propagandy, nilaza tsy mila ny mpamatsy vola mahazatra. Manana olana satria ilay fanatanterahana ilay tetikasa raha ny fahazoako azy ilay IEM, dia tsy nandeha tamin’ny mpamatsy vola mahazatra, fa mpamatsy vola tsy miankina. Mila fitoniana tanteraka politika, miaramila,… anefa ny olona vao miditra amin’izany. Vao nipetraka teo anefa ny Filoha Rajoelina vao saika hanao ny tanàna vaovao teny Ambohitrimanjaka, dia efa tratry ny fanoherana. Misy tsy makany amin’ny fiainam-bahoaka ny fampanantenana, toy ny hoe andao isika hanao Miami, andao hamboly artemesia fa tsara noho ny vary. Misy zavatra 3 tsy azo kitihina rehefa mitondra eto Madagasikara: vary, omby, tanindrazana ka aza mikitika an’izany fa miongana, hoy Atoa Gilbert Raharizatovo. Ny tsy fahalalana ny tantara, ny tsy fahalalana an’I Madagasikara no isan’ny mampanaonao foana. Nofoanana ny “college” sy “lycée agricole”, kanefa i Madagasikara lazaina fa “à vocation agricole”, ho sompitry ny ranomasina Indianina. Mbola any anaty sakafo aloha no resaka, mianatra ny zanany, mahatsabo ny fianakaviany izy, fa tsy tonga dia “bulding” miezinezina, hoy izy

 

 

 

 Io ady lava io mitohy, valifaty io, raha vao misy tombotsoa arovana, zavatra tsy tiana hivoaka, dia raikitra ny valifaty. Isika ve tsy manana fandihina kely fotsiny, fa tsy ilaina intsony ny miady. Izany no ilàna ireo Raiamandreny. Mba hanajan’ny hafa antsika dia aleo omena hasina ny kolontsaina sy ireo Raiamandreny, hoy ny teny fampisainana nataony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT