Tsy fanjakana intsony ny fanjakana raha milavo lefona amin’izao mahazo azy izao.
Tsy maintsy mitady “fusible” hialana amin’io, raha ny fanehoan-kevitry ny mpandinika politika Gilbert Raharizatovo tamina fahitalavitra tsy miankina iray. Anisan’izany io raharaha fanesorana an’i Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI io. Olona manana ny maha izy azy anefa ity farany, taorian’ny nialany tao, ka « rien à perdre » na tsy misy fantiantoka ho azy amin’izay hambarany aorian’izao. Ny CENI nisy olana, ary na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy ihany koa ny HCC. Na izany aza, tsy tonga lavitra ny ataon’ny mpanohitra raha tsy misy hetsika tohivakana mankany amin’ny vahoaka. Noho izany mbola mahavita mifehy ny zava-misy aloha ny fanjakana. Ny zava-mitranga eto, dia marefo ny fomba fijery na “vision” amin’ny politikam-pampandrosoana. Hanangana zavatra mamiratra sy tanàna ngezabe ho an’iza ? Ny Malagasy ve no ho ao ? Ny tanjona no misy olana kanefa tsy disoako tanteraka satria mety misy lalan-tsaina politika hahafahana manazava izany. Mikasika ny fanenjehana ireo mpandraharaha tahaka an’i Claudine Razaimamonjy sy Mbola Rajaonah kosa dia mahagaga ihany raha 1000 miliara Ariary mahery ny vola hanasarongotana azy, raha ny fahitan’i Gilbert Raharizatovo. Ireo irery ve no nanao ohatr’izany ? Sao dia tsindry na « représaille politique » ? Ny vahiny ve tena manao lalao madio ? Rehefa lasibatra ny olona iray na inona na inona fahadisoany dia lasa malahelo ny Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.