Politique

Gilbert Raharizatovo “Mety ho avy ny tsotsori-mamba isarahana”


  • Talata 12 Janoary 2021

Tsy tongatonga ho azy na fahatany ny zava-mitranga, fa misy zavatra mifandray ao,

 

 

 

 misy ny kajikajy politika isan-karazany, mety nisy zavatra fantatra tany ambadika tany ary iny no avoaka hamelezana olona iray. Lalao politika izany, ary mety misy ny tsotsori-mamba isarahana, hoy ny mpamakafaka politika sady efa minisitry ny serasera teo aloha, Gilbert Raharizatovo tao amina fahitalavitra iray omaly. Nambarany fa ny namana androany mety tsy ho namana rahampitso. Betsaka ny “scandale” tamin’ny taona lasa, raha tao anatin’ny ekipa dia tena manahirana izany. Tato anatin’ny herinandro, dia raharaha roa lehibe sahady no vaky dia ny volamena 73,5kg sy ny voalaza fa fividianana fiaramanidina nataona minisitra iray ao anatin’ny governemanta . Mety misy isan’andro io, fa misy zavatra mitranga iray vao tonga saina ny rehetra, ary lasa mifantoka any amin’iny zavatra iray iny daholo ny saina, hoy ny fanazavany. Mety mihoatra izany anefa, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena dia naneho fa mety efa in-dimy io. Ihomehezan’ny olona isika ao anatin’ny fiainana kitoataoa, hoy hatrany i Gibert Raharizatovo. Misy Fanjakana mahefa anefa eto. Tsy vitan’ny hoe polisy sy zandary fotsiny fa misy ny fahazoan-dàlana hanidina sy ny maro hafa, hoy izy. Tsy maintsy mitady làlana handaminana ny toe-draharaha ny Filoham-pirenena, hoy izy. Fomba fitenin’ireo fotsiny izany hoe izahay izao no eto, fa tsy maintsy mitady fomba handaminana ny toe-draharaha mafana izy ireo, hoy izy. Rehefa miroso amin’ny fanovana governemanta, dia tsy maintsy manolo olona. Miha mahantra ny olona, very ny fananana, ka tsy maintsy mitady ekipa matanjaka, mitady ny firaisankiana satria mafy ihany koa ny tsindry avy aty ivelany, hoy i Gilbert Raharizatovo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT