Politique

Gidragidra tao Toamasina Nifanjevo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Nafana ny gidragidra sy fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka tao Toamasina omaly.

 

 

 

Tokony ho tamin’ny 4ora no niantombohan’ny sakoroka satria niteraka korontana ny fikasihan-tànana natao tamina tovolahy iray antsoina hoe Tahiana tao Androranga. Raha ny vaovao azo, dia nilaza fa avy nividy fanafody io tovolahy io. Nosakan’ny andian’olona voalaza fa mpitandro filaminana, saingy tsy nijanona, ka raikitra ny fanenjehana ary tratra. Nivalapatra tamin’ny tany, ary nisy ny nihevitra fa namoy ny ainy mihitsy. Nentina tany amin’ny Hopitaly izy io, ary voalaza fa efa nampodiana any amin’ny fianankaviany. Tezitra noho io toe-javatra io ny olona, ka nitora-bato, nitsoka kiririoka, nandoro kodiarana,… Niditra an-tsehatra nanampy ekipa ka nanapoaka basy sy baomba mandatsa-dranomaso ihany koa ny mpitandro filaminana tetsy ankilany nentina nandravana ny hetsika. Nitohy hatreny Ambolomadinika sy Morarano ny hetsiky ny mpitandro filaminana. Efa nilamindamina ny takariva, saingy mbola nafana ny fanapariahana ireo olona nijorojoro teny an-dàlana. Tsiahivina hatrany, fa nohamasin’ny fanjakana ny fepetra any Toamasina nanomboka ny talata teo. Ny 7 mey ny Filoha Rajoelina no efa nilaza tany Toamasina fa betsaka ny mafy loha. Mpitandro filaminana 250 no nalefa hanampy ny efa any an-toerana ho fanamafisana ny fampanajana ny fepetra. Filaminana no katsahina saingy mifamono ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Mafampana ny toe-draharaha ao an-dRenivohitr’I Betsimisaraka ao.

 

Nilaza ny Kaomisera Rakotoarijaona Faly Lehiben’ny mpitandro Filaminana, fa rehefa nanadihady dia hoe nodarohan’ny mpitandro filaminana nitondra “batons” fotsy, saingy ny an’ny mpitandro filaminana mainty, hoy izy. Nanao t-shirt ana miaramila ny sasany ary maromaro ireo nidaroka azy izay tsy haiko na tena izy na tsia, hoy kosa i Tahiana. Nokapohana aho, dia izay no tadidiko farany, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT