Politique

Gérard Ramamimampionona « Tsy fanaovana politika ny fanakorontanana »


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Tsy fanaovana politika ny fanakorontanana hoy Gérard Ramamimampionona, tompon’andraikitra eo anivon’ny CFM na ny filankevitry ny Fampihavanana Malagasy raha naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena

 ankehitriny izy. Diso nahazo vahana teto amin’ny firenena loatra mantsy tato ho ato ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ka raha vantany vao misy trangan-javatra iray azo ritina dia tonga hatrany any amin’ny tranga tsy eritreretina izany izay mety hitondra fikorontanana. Mila mibea sy beazina ara-politika isika hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity mba ho tena politika marina no hatao eto amin’ny firenena ka tsy hampiady, tsy hifanilika, tsy hifanakorontana… fa hifanaja, hifampihaino, hifameno, hihavana, ary hiasa hikatsaka ny soa iombonana ho fampandrosoana ny Malagasy. Notsiahiviny moa fa ny mpitondra tokony hahay hihaino ny mpanao politika sy ny vahoaka ary ireto farany ihany koa tokony hahay haneho hevitra sy hampahafantatra izay marary azy tsy misy ambadika. Ny fanaovana politika moa dia notsoriny fa fikatsahana ny tombontsoan’ny daholobe, fifandimbiasan-toerana fa tsy fibodoana fahatany izany, fahaizana mihaino sy mandinika ny zava-misy hahafahana mitondra vahaolana ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Pati Legende : Gérard Ramamimampionona,
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT