Politique

Gérard Ramamimampionona “Mila sorohana ny savorovoro”


  • Alarobia 18 Mey 2022

Rehefa akaiky, anatiny, aorian’ny fifidianana dia misavorovoro foana ny firenentsika, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (CFM), Gérard Ramamimampionona.

Misy lafiny maha ratsy sy maha tsara azy io, hoy izy. Mila sorohana ny savorovoro. Ny fandraisan’ny rehetra andraikitra no fisorohana. Eo koa ny fanajana tsara ny lamina sy lalana velona. Aoka tsy ho fitaovana entina hanakorontanana ny politika! Ny filaminana no kendrena eo amin’ny tany sy ny firenena na aiza na aiza. Tsy ny mpitandro filaminana ihany fa ny teny sy hetsika ataonao ve hitarika filaminana? Dia ny mbola aty aloha be aty, izay tompon’andraikitra tokony hifampiresaka, na ny ao an-toerana na ny hanao hetsika sy ny eo amin’ny fiantohana ny filaminana dia zava-dehibe ny fifanankalozan-kevitra. Apetrao amin’ny tena maha politika azy ny politika! Zava-doza io raha atao fitadiavam-pahefana fotsiny. Raha sanatria efa misy manao propagandy tokoa, ifanarahana ve izany ? Tsy tokony ifankatahotra isika raha samy manao ny marina. Ny fahafahana akory tsy ahafahana miteny izay tiana tenenina na manao ny tiana atao. Misy fetrany izany rehetra izany. Miantso ny vahoaka ho tony ny CFM fa miantso ny mpanao politika hanabe vahoaka mba ho olon’ny fitoniana koa ny mpanao politika rehetra. Mila maka lesona isika hoe nahasoa antsika ve ny 1947, 1972, 1991, 2002, 2009 ? Ho sahirana eo indray isika raha sanatria mbola hiditra amin’izany. Hatramin’izay fifidianana nisy teto dia tsy nifandanja foana ny herijika. Izany ilay tokony hifampiresahana sy hifanatonana ny rehetra hoe inona no atao tsy isian’izany intsony ? Ny mpanohitra tokony hanaja fanjakana ary ny anaty fanjakana tsy tokony hanilika mpanohitra satria isan’ny vahoaka entiny ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT