Avy nankalaza ny 62 taona niainana ny atao hoe repoblika isika ankehitriny, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona.
Maro izao no tsy mahafantatra hoe inona izany repoblika izany. Raha atao amin’ny teny tsotra dia avy amin’ny teny grika hoe “repoblika” izany hoe zava-bahoaka. Samy tompony ny rehetra ary tokony ho sarotiny sy hiaro, hikajy ary hampiasa sy hikolokolo izany rehetra izany mba hifandovana. Natao hampitovy ny rehetra eo ambany lalana ny repoblika saingy ny zava-misy tao anatin’ny 62 taona dia efa nisy lalampanorenana miisa 4 izany angamba ary in-4 niova repoblika isika. Ny any amin’ny firenen-kafa anefa 100, 150, 250 taona io tsy miova. Tokony hifanaraka amin’ny maha izy azy ilay firenena sy ny soatoavina ao tsinona ny ao anaty lalampanorenana. Natao hiarovana izay maha tompony ny olona rehetra ny lalampanorenana. Voaaro ve noho izany, hoy hatrany izy, ny maha repoblika ny repoblika tao anatin’izay 62 taona izay? Tompon’andraikitra ve ny rehetra? Izay no nialana tamin’ny faha mpanjaka sy fanjanahantany satria misy ampahan’olona mahazo tombony be dia misy tsy mahazo. Tsy zava-baovao izany ary tsy mifanalavitra ny soatoavina Malagasy, hoy izy, ary antony hanaovana antsoavo hoe mila manangana sy manorina ny firenena isika aorian’ny fahahamehana ary tsy andron’ny fifanenjehana izao fa efa lany andro izany.
J. Mirija
Legende: Gerard Ramamimampionona
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.