Politique

Gerard Ramamimampionona “Mila manangana politika ho antsika isika”


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Anaty volana jona isika ankehitriny, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy.

 

 

 Sady fetim-pirenena no 1 volan’ny teny Malagasy. Mandeha koa izao ny resaka lalàna momba ny zom-pirenena. Mila saro-piaro amin’ny maha Malagasy antsika isika, hoy izy. Eo ny toerana fa zava-dehibe koa ny olombelona, indrindra, ilay toe-tsaina sy soatoavina. Voaharontsika ve ny tany sy teny ary tena Malagasy? Tena izany fisiana mpanohitra sy mpomba izany ve no politika naha Malagasy ny Malagasy? Raha tena te hanaja ny soatoavina Malagasy isika dia tsy fanao ny manao valala an-karona. Mila manangana politika vaovao isika, politika misy fanahy Malagasy. Ny toetsaina sy toe-po nenti-nandray ny atao hoe politika teto mihitsy no olona satria mandray be fahatany ny avy any ivelany. Ny toetsaina Malagasy dia mifampihaino sy mifampihera na teny ierana. Samy manana ny heviny fa mahay mifameno sy mifampihaino. Misy ny demokrasia amerikanina dia misy ny frantsay fa inona no antsika? Maka tahaka an’ireo. Izany ronono an-tavy na “démagogie” izany an-drizareo avy vahiny ary taorian’ny fanjanahantany vao tonga teto. Ny antsika fihavanana sy fifampitsinjovana ary masina ny teny. Anaty fanatontoloana isika no miresaka izany ka ohatran’izany koa ilay resaka zom-pirenena. Mila jerena miandalana sy arakaraky ny zava-misy io, hoy hatrany ny tenany.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT