Be dia be ny olana eto amin’ny firenena toy ny resaka fampianarana, ny rova, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fandriampahalemana, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy,
Gerard Ramamimampionona, raha namaly ny fiheverana fa lasa mametraka fiandaniana eo amin’ny fomba fijeriny manokana ny tenany. Misy koa ny olana ara-politika. Aoka mba ho ilay toe-tsain’olon-dehibe hitadiavana fitoniana ao anatin’izany rehetra izany, hoy izy, no hikaroham-bahaolana. Ao anaty fitoniana no hahafahana mifanakalo hevitra sy mifamela fa tsy mifanilika. Ny vahaolana amiko dia ny famahana ny fatorana ao anatin’ny toe-tsain’ny tsirairay mihitsy hoe sanatrian’ny vava hifampifahavalo foana rehefa misy olana. Rehefa misy olana dia tokony hifanantonanao na ny olona mifanohi-kevitra aminao aza, hoy izy. Isan’ny antso ataony, noho izany, ny fanatonan’ny mpitondra ny mpanohitra. Tsy tokony hisy hoe mpomba sy tsy mpomba. Lasa ambony noho ny soatoavina ny politika kanefa tokony handeha ho azy amin’ny Malagasy izany mifanatona raha misy tsy hifanarahana izany. Tokony voizina izany toe-tsaina maha Malagasy izany, hoy hatrany izy, amin’izao faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantena izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.