Araka ilay hoe tratra ny PIC dia ao an-tsaina izany ny hoe hidina amin’izay ny isan’ireo mararin’ny COVID 19, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM, Gerard Ramamimampionona.
Zava-dehibe ao anatiny koa ny hoe tsy maintsy mahay miara-miaina amin’ilay valanaretina isika. Vokatr’izay koa dia hoe andao hiala anaty fihibohana amin’izay! Antsoina ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay satria toy ny zavatra avy notampenana isika io ka andrao hibosesika na hiraparapa loatra. Mila fahamailoana sy fitandremana tanteraka, hoy izy, satria any amin’ny firenen-kafa izao dia mananontanona indray ny fiverenana mihiboka. Aleo mba hitohy ny fitandremana. Zava-dehibe ny fifanajana sy fifampihainoana. Ny fametrahana ny marina no zava-dehibe ao anatin’izao zava-misy izao, hoy hatrany izy. Mbola ao anatin’ny ady isika ary izao vao tena hita fa marefo amin’ny lafiny maro ny firenentsika. Ny fahafantarantsika hoe marefo isika amin’ny lafiny fanabeazana, ohatra, ka mbola hampianarina manasa tanana mandrak’izao dia isany. Ny rafitra, ny sosialy, ny toekarena dia ahitana izany ihany koa saingy tsy natao hampiondrika izany fa fotoana hiaingana hifanomezan-tanana sy handraisan’ny rehetra andraikitra izao, hoy izy. Tadidio fa taloha aza krizy politika fotsiny dia efa namerina antsika ambanin’ny aotra ka maika raha izao no mbola misy krizy hafa dia asa fotsiny, hoy ny fanazavany. Raha ho atao ny fanadinam-panjakana. Misy lavaka sy fikorontanana ao ary misy fandaminana tokony ho apetraka. Raha vao miteny hoe sekoly dia eo ny sekoly, ny mpanabe, ny ray aman-dreny, ny mpianatra fa eo koa ny tompon’andraiki-panjakana izay tokony miaraka mifampijery ao anatin’izany fa samy ho maty daholo ireo raha sanatria misy korontana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.