Nifampirary soa isika tamin’ny fiandohan’ity taona ity ka noho izany tokony hifanasoa,
hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona. Izao atao rehetra ka mitondra fampahoriana ny Malagasy dia mifanohitra amin’izany fifampirariana soa izany. Tokony ho hita amin’ny fihetsika sy atao izany. Vao nanomboka anefa ny taona dia efa nisy iny resaka volamena iny. Tsy hiditra amin’ny resaka iraisampirenena aho fa ilay soatoavina Malagasy no tiako tenenina. Ny Malagasy dia ilay hoe soa iombonana ka na valala iray aza ifanapahana. Indraindray misy olona mitady hihinana omby iray sy te handroaka maro ho azy irery anefa. Izay ilay hoe tantely afa-drakotra izay hiantsoako ny feon’ny fiheritreretan’ny rehetra hoe harena be iray i Madagasikara fa mahantra ny malagasy. Tsy hisy ny filaminana raha mbola misy ny elanelana satria misy ilay tonga dia mandroaka voalaza teo. Ny eto anefa tsy manana ho raofina afa-tsy fako. Mahatonga elanelana sy lonilonim-piarahamonina izany fa tsy fihavanana ary ho avy ny tsiny sy tody ho an’ireo tia tena mampahory vahoaka, hoy hatrany izy, ka aoka isika manomboka izao hisitraka miaraka ny harem-pirenena rah ate handroso.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.