Politique

Gérard Ramamimampionona - CFM “Tokony hifampiresaka dieny mbola tsy misy gidragidra”


  • Talata 22 Martsa 2022

Lalim-paka be amin’izao fotoana izao ny valanaretina tafiditra anaty fihavanana sy fiarahamonina Malagasy, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona.

Na sehatra tokony hampiombona aza vao maika misy ilay aretina mikiky, hoy izy, satria ilay sehatra entintsika mandray azy mihitsy no tena zava-doza. Ireny resaka fikambanana ireny izao, ohatra, mety misy zavatra be dia be ao anatiny. Mety lafiny ara-pitantanana. Misy hoe zanaky ny faritra avy atsy sy avy atsy koa ao ary na ao amin’ny faritra iray aza mbola misy hoe zanaky ny kaominina atsy sy atsy. Lasa mafy be ao an-tsaintsika izay fisarahana izay. Misy tombontsoa iadiana koa anatin’ireny indraindray. Idiran’ny valanaretin’ny politika diso. Misy olona mitady hilalao an’io ara-politika, ohatra, dia eo amin’izay dia hoe tandremo fa isika izao na isika izao. ifandroritan’ny mpanao politika ilay izy dia hampiadiany. Mety misy hevitra tsy mitovy koa ao fa ilay fahaizana miady hevitra no mbola tsy ao anatintsika. Lasa tsy ilay zavatra mampiombona no resahana fa ilay ikendrena tombontsoa manokana sy mampisaraka. Misy viriosy ngezabe noho ny Covid 19 amin’izao dia ilay hanaparitaka satria mamofompofona ny 2023 izay hiatrehana fifidianana maromaro fa tsy filoham-pirenena ihany. Izany no anton’ny ivoizan’ny CFM amin’izao fotoana izao ny fifampiresahana anaty fahamarinana sy fihavanana. Dien’izao fotoana mbola milamindamina izao dia tokony hifampiresaka tsara fa tsy rehefa raikitra ny gidragidra vao hiresaka. Tokony hifampiresaka dieny mbola tsy misy gidragidra fa tsy hoe olona efa mifanao ankolafy sy mifampitsapa hery na ilay manao “rapport de force” vao hiresaka dia ho toy ny any Rosia sy Okrainina hoe ny atsy miresaka, ny atsy mifampidaroka. Tokony hatokana isan-tsokajiny mihitsy aloha ny fifampiresahana hoe ny samy mpanao politika, samy mpitondra fiangonana, samy mpisehatra ara-toekarena dia jerena aloha ny hevitra navoakan’ireo vao miakatra tsikelikely fa tsy hoe tonga dia fihaonambe iraisam-pirenena dia izay be vava ihany no hiteny, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT