Ny fiainan’ny zanak’olombelona mihitsy vao nitsidika ny taona 2020 dia hoe
20/20 saingy ny mifanohitra tamin’izany anefa no hita teo, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona. 8 volana, mba tsy hitenenako hoe nifanandrinana tamin’ilay Coronavirus na bibikely tsy hita maso, hoy ny olona. Tsy afaka mitsambikina 1 na 2 santimetatra iny nefa afaka nitety izao tontolo izao. Namotika ny fiainan’olombelona izany na toekarena, sosialy hatramin’ny ara-panahy sy ara-tsaina. Nanimba ny olombelona ilay izy raha atao jery maimaika nefa misy lafiny tsara azo raisina ihany. Mbola adihevitra koa moa ny hoe niniana naely iny. Ny sasany koa hoe voajanahary. Raha niniana tokoa iny dia hita ihany izany fa azo lalaovina sy afaka mifampilalao ity olombelona ity. Misy olona tena afaka hamotika sy hampihorohoro ary mbola mafy noho ny fitaovam-piadiana amin’izao fotoana izao. Raha voajanahary kosa dia midika hoe marefo sy tsy tena afaka mifehy na tompon’ny tenantsika isika olombelona na inona fahaizantsika. Teo no tena nahitana hoe tsy miaina fihavanana ny Malagasy fa vao miha nifampisoloky sy nifangalatra ary nifanao herisetra. Teo koa moa ny kere ary hita tamin’ireny izany hoe afaka mifamindra aretina io olombelona io nefa afaka mifanampy sy mifanome tanana ihany koa. Ny asa famokarana mba hijerena hoe ahoana no hahafahan’ny olombelona mahazo antoka fa hisakafo tsara foana hahafahany miahy ny ainy sy hampitombo ny hery fiarovana ao amin’izany izao no fanontaniana goavana tokony apetraka. Na ny resaka vakisiny aza moa mbola ifandroritan’ny firenena maro hatramin’izao. Vitsivitsy ny Malagasy naneho izany fiombonana sy firaisankina izany. Maika, hoy hatrany izy, ny fihezahana mamerina ny soatoavina anaty fiarahamonina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.