“Tokony ho fantratry ny Malagasy fa rehefa fifidianana dia fananganana zavatra. Ny vahoaka no manome sy mampindrana ampaham-pahefana aman’olona”, hoy i Gérard Noel Ramamimampionona, filoha lefitry ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy (CFM).
Izany indrindra no tsy maintsy hanaovana fifidianana anaty filaminana satria izany no fihavanana. Maro tokoa ny fitarainana etsy sy eroa manodidina ny fifidianana solombavambahoaka saingy misy lalàna mametra sy mametraka ny CFM. Tsy resaka lalàna no entiny fa fametrahana fitoniana sy filaminana, indrindra ny soatoavina. Mbola mipetraka hatrany ny fiamboniana ara-tsaina ao amin’ireo mpanao politika kanefa izany no manaratsy endriky ny Antenimieram-pirenena: depiote miandry malety, mivadika loko politika… Ho fanesorana izany, hoy ihany izy, dia ny Toky Nomena no natao indrindra hanaraha-maso azy ireo. Tsy maintsy manao tatitra ny depiote iray ho fampiakarana ny hasina sy lanjan’ ny Antenimieram-pirenena. Mila mipetraka ho mpanaraha-mason’ny fahefana mpanatanteraka. Raha ireo no manao tatitra sy ny asany tsara dia miaraka tsara amin’ny vahoaka. Misy mantsy no mitady hisisika any amin’ny fahefana mpanatanteraka fotsiny saingy izany no tsy mampandeha amin’ny firenena. Tanjona no hisian’ny firindrana eo amin’ny fahefana eto amintsika mba hahafahana miasa amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.