Politique

Gazety boky Demokrasia laharana faha 13 “Nihemotra ny demokrasia eto Madagasikara”


  • Zoma 20 Mey 2022

Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.

Misy pejy miisa 18 izy ity ary voafintina ao ny fahitana ny raharaham-pirenena ankapobeny eto Madagasikara, hoy ny fanazavana. Nohirahiraina foana tato ho ato ny demokrasia sy ny tany tan-dalana, hoy ny filohan’ny HCDDED, Navony Pierre Lenoble. Nihemotra ny demokrasia eto Madagasikara, hoy izy. Maro no azo lazaina mikasika izany fihemorana izany. Eo ny tsy fahafahan’ny olom-pirenena mivezivezy. Lonilony politika no laroina raharaham-pitsarana dia avy eo migadra ilay olona. Politika efa taloha izany. Izany izao no nahavoa ny zokibe Voninahitsy. Nolazaina fa nanao seky tsy nisy antoka sy nanome basy dahalo. Aoka tsy ho hisy intsony izany. Tsy hoe tsy maty manota rehefa manao politika. Olona efa tany amin’ny taona 2010 tany no lehiben’ny faritra dia izao vao takiana hoe aiza ity sy ity. Antsojay izany. Valifaty politika no tena lasa ataontsika amin’izao ary izay no tena olana eto Madagasikara. Tsy tokony hisy izany satria akaiky fifidianana isika ary nihemotra tsikelikely ny demokrasia eto. Eto misy olona tsy afaka mivezivezy, misy olona itadiavana dosie tany aloha be tany sy hanaovana antsojay, hanaovana valifaty politika. Lasa mifanavakavaka sy tsy mifampatoky isika vokatr’izany rehetra izany. Izany no antony hilazan’ny olona sasany fa mbola tsy firenena I Madagasikara satria mbola tsy mifanalavitra tamin’ny nataon’ireo Viking sy Gaulois tany alohan’I Jesoa Kristy izany fombantsika izany, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT