Politique

Gasy tsy milavo lefona “Ny fitondrana mihitsy no mila manova paikady”


  • Talata 17 Aogositra 2021

Fanindroany nanova governemanta izay ity fitondrana ity, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Gasy tsy milavo lefona.

 Tsy mivaha mihitsy ny olana satria tsy ny olona no olana fa tsy tafita amin’ireo minisitra ny iraka tian’ny ao amboniny hampanaovina azy, hoy ny filohan’izy ireo, Jocelyn Rabenilalana. Misy minisitra koa manana tetibola dia misy tsy manana. Mila manova paikady mihitsy ny mpitondra fa na hisolo indray aza ireo afaka 6 volana tsy hiova. Tsy hisy minisitra tsy te hanao ezaka izany fa ilay laharam-pahamehana tsy hitan’izao fitondrana izao no tena olana. Nisy iny hahamehana ara-pahasalamana iny nandalo dia tokony hanova ny laharam-pahamehana ho any amin’ny sosialim-bahoaka manontolo izany izao governemanta izao ary hamerina amin’ny laoniny ireo orinasa mitady ho banky ropotra. Milamina ny sosialy dia milamina isika fa raha tsy milamina io dia mety ho sahirana ity fitondrana ity, hoy hatrany ny GTM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT