Politique

GASY MI sy ny antoko PDS Ny fanjakana isam-paritra ihany no vahaolana


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Eo anatrehan’ny fahantrana lalipaka mahazo ny firenena amin’izao ka tafiditra ao anatin’ny firenena 10 mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara,

 dia naneho ny heviny ny antoko PSD tarihin’ny sekretera nasionaliny Eliane Bezaza sy ny antoko GASY MI na Gasy Mifankatia. Nisantaran’izy ireo ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ireo karazana olana maro samihafa mianjady eto amin’ny firenena. Tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ohatra ny 53% ny zaza malagasy tamin’ny taona 2019 ary maherin’izany ankehitriny. Tsy lazaian intsony ny tsy fandriampahalemana…Tsy afaka hangina intsony ny antoko politika PSD sy GASY Mifankatia manoloana izany . Ny fototr’izao fahantrana lalipaka izao dia ny fanafoanana ny vola natokana ho an’ny Faritany hoy izy ireo , na “Budget Provincial” tamin’ny taona 1973 izay nampivangongo any amin’ny fanjakana fohibe ny fahefana ara-bola sy ara-pitatanana efa eto Madagasikara (efa ho 50 taona izao ). Na dia nosoratana ao anaty lalam-panorenanan’ny Repoblika fahatelo aza ny fanomezana fizakan-tena ara-bola sy ara-pitatanana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na “autonomie administrative et financiere des collectivités territoriales decentralisées”, ary naverina nosoratana ao anaty lalam-panorenan’ny Repoblika faha efatra indray aza izany hoy izy , dia indrisy fa mbola tsy nampiharin’ireo filoham-pirenena nifandimby teto Madagasikara izany. Efa ho 30 taona amin’ny 2023 ny tsy fanajan’ireo filoham-pirenena ny lalam-panorenana Malagasy, na dia nanaovan’izy ireo fihanianana teo imasom-bahoaka aza izany. Ny mpamatsy vola iraisam-pirenena dia nanamafy hatramin’izay hoy izy ireo ka hatramin’izao ny fanomezana ny fizakan-tena ara-bola sy ara-pitatanana fa ny vondrom-bahoaka hitsizaram-pahefana ihany no vahaolana hafahantsika miala amin’izao fahantrana lalipaka izao amin’ny alalan’ny fampanjakana ny fanjakana isam-paritra. Ny tena zava-doza aza dia ilay lalana fehizoro 2021-011 izay natolotry ny fanjakana entin’ny Andriamatoa Filoha Andry Nirina Rajoelina izay manamafy ny centralisme eto Madagasikara hoy hatrany izy ireo. Nanapa-kevitra ny antoko politika PSD sy GASYMI noho izany ka mangataka amin’ ny fanjakana mba hanaja ny lalam-panorenana ka hanome ny ben’ny tanana voafidim-bahoaka sy ny mpanolo-tsaina ny tandrifim-pahefana ara-bola sy ara-pitatanana hahafahan’izy ireo manatanteraka ny vina fampandrosoana izay nampanantenain’izy ireo ny vahoaka nifidy azy ireo. Ny Andininy faha 146 ny lalam-panorenanana dia milaza fa ny Fanjakana dia miandraikitra ny fampiharana ireto fepetra manaraka ireto toy ny fitsinjarana ny fari-pahefana eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana ; - fitsinjarana ny loharanom-bola eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana , ny fitsinjarana ny raharaham-panjakana eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana. Ary mitaky ny lalam-panorenana vaovao “ETAT REGIONAL” na “Fanjakan’ny Faritra” amin’ny Malagasy. Miantso ireo antoko na fikambanana mitovy hevitra aminy ny roa tonta araka izany amin’ny zoma ho avy izao mba ho avy hivory etsy amin’ny Solimotel Anosy hahafahana mifanome tanana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT