Halohalika ny ranombary ! Izay no azo hamehezana ny toe-draharaha eto Madagasikara.
Hanairana ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia nanao hetsika milamina nanoloana ny prefektoran’i Saint Denis La Réunion ny fikambanana “Agir pour Madagascar” ny sabotsy 29 septambra teo. Fikambanana izay manahy mafy fa fanombohana ady an-trano eo amin’ny samy Malagasy, indrindra raha ny zava-misy any Atsimo, no jerena. Araka ny vaovao dia nisy fanangonan-tsonia natao, nalefa any amin’ny mpitondra frantsay, ho an’ireo tompon’andraikitra ara-politika sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny. Niombom-peo ireo rehetra nanao ny hetsika izay nahitana fikambanana maro fa tsy maintsy tazonina ny firaisankina eo amin’ny samy Malagasy raha tsy tiana ny hisian’ny ady an-trano.
Ankoatra izay ny tokony hisiana fifidianana malalaka, azo antoka sy hitokisan’ny rehetra, mangarahara mba hifaranan’izao krizy izao. Samy nanamarika ihany koa fa anisan’ny fototr’izao krizy eto amintsika izao ny resaka fihariana, zeopolitika sy zeostratejika ary ny fidiran’i La Frantsa lalina loatra. Tsy mijanona eo anefa fa dia voahosihosy tanteraka koa ny resaka zon’olombelona sy fahalalahana, ary dia tsy afa-maina ny sehatra sosialy toy ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Ankoatra ny fikambanana “Agir pour Madagascar” moa dia teo koa ny vondrona Ma.Mi na ny Malagasy Mitambatra, ny GTT La Réunion, ny Collectif pour Magadagascar ary ny Madagascar Résistance.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.