Tonga nanatitra ny antontan-taratasy momba ny fandaniana ara-bolan’izy ireo teny amin’ny « cour des comptes” ireo kandida nilatsaka tamin’ny lisitra Komba. T
sy hipetrapetraka fotsiny amin’izao izahay tamin’ny fisian’ny hosoka sy ny lesoka tamin’ny lisi-pifidianana, ary mangataka tsy misy hatakandro sy tsy misy fepetra amin’ny solombambahoaka mivory eny amin’ny CCI Ivato hoe: atsaharo miaraka amin’ny vava aloha ny fanendrena ny ho solon’Atoa Thierry Rakotonarivo, hoy i Baba Rakotoarisoa na Gangstabab Filohan’ny APM na ny Antoko Politika Madio. Atsaharo aloha ny fanendrena ny solony amin’ny maha solontenan’ny solombavambahoaka azy, ary mangataka ihany koa amin’ny CENI hanatsahatra miaraka amin’ny vava ny zavatra tokony havoaka anio zoma 15 mey noho ny famaranana ofisialy ny lisi-pifidianana nasiam-panavaozana, hoy iGangstabab. Hentitra izy ireo nilaza fa mbola misy vary mangatsiaka, tsy tomombana ny resaka lisi-pifidianana kanefa dia ho ohatran’ny vitavita fahatany amin’izao fotsiny dia hoe hotendrena sahady ny solon’ilay filoha lefitry ny CENI nambara fa nanao fanambarana manakorontana saim-bahoaka. Nilaza tsy hipetra-potsiny izy ireo, ary tsy ho vitavita mora fotsiny ny resaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.