Mbola any Etazonia amin’izao fotoana ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ireo delegasionina miaraka aminy, ny alatsinainy 24 martsa izao izy no fantatra fa hihazo an’i Frantsa. Manamarika izao diany izao ny fihaonany tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Atoa Ban Ki Moon sy ny masoivohon’i Etazonia ao amin’ny Firenena Mikambana Rtoa Samantha Power, izay sady mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha Obama.
Somary nanaitra kely ihany ny resaka nataon’ny filoha Rajaonarimampianina tany Etazonia raha nanambara izy fa tsy misy gadra politika intsony eto Madagasikara, kanefa dia mbola misy 21 be izao migadra noho ny raharaha politika eto amintsika ary miaramila ny ankamaroan’ireo. Asa na tsy maharaka vaovao tsara ingahy filoha na mody fanina tsotra izao mihitsy. Vao herinandro lasa izay no niantso mpanao gazety mba hanairana ny mpitondra fanjakana ny fianakavian’ny Jeneraly Raoelina ary nampatsiahy fa mbola misy gadra politika eto amintsika ka tokony havoaka haingana. Tsy fahafantarana ve ny an’ny filoham-pirenena ? Inona fotsiny no ataon’ireo mpanolotsaina azy ? Sa tsy fantatr’izy ireo ve fa efa lasa lalàna anie ary tsy maintsy ampiharina ilay andininy faha-16 ao amin’ny Tondrozotra e !
Manampy izay dia efa mazava tsara fa ny fitondrana vaovao mijoro taorian’ny fifidianana no hanohy ny fampihavanam-pirenena sy ny fandraisana fepetra hametraka ny fitoniana, tafiditra ao anatin’izany ny famotsorana ireo gadra politika rehetra, fa tsy hoe ny ampahany ihany. Asa na efa maika loatra hahazo vola amin’ny Amerikanina i Hery Rajaonarimampianina ka minia mikipy sy manapin-tsofina amin’ny fitakian’ny havan’ireo gadra politika sy ny ao amin’ny Magro isan’andro, fa raha gadra politika no resahana dia tena mbola misy eny Tsiafahy sy Antanimora.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.