Nitondrana fanazavana mikasika ny sakana hataon’ny Fitondram-panjakana
amin’ireo karazana hetsika hataon’ny mpanohitra eto amintsika Atoa Gaby Vakiniadiana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny RMDM omaly. Nambarany fa ny fanoherana dia hisy foana ary tsy hijanona izy ireo raha tsy tonga amin’ny tanjona iriany. Nosoritany mazava fa r aha mbola tsy mety ny hataon’ny Fitondram-panjakana dia mbola mitohy hatrany izany. Ho an’ny filoha Ravalomanana manokana dia nomarihiny fa amin’ny maha-filoha mpanorina ny TIM azy no nahatongavany tany Soavinandriana nihaona tamin’ireo tantsaha ka raha vory lanona ny vahoaka hoy izy, inona moa no tsininy ? Tsy voararan’ny lalana angamba izany hoy izy. Fa maninona hoy izy ireo mpihira malaza avy any ivelany namorona ilay hira Jerosalemano avela hitety faritra fa ireo solombavambahoaka hanao tatitra tokony hitondra fanazavana amin’ny vahoaka kosa sakanana ? Tsy vahaolana eto amin’ny tany sy ny firenena ny sakantsakana hoy izy fa lasa otrik’afo eto amin’ny firenena ireny. Nomarihiny moa fa mbola vonona hatrany ny mpanohitra hanohy ny asa fanoherana hatao raha mbola tsy mahalala ny tokony hataony ny mpitondra fanjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.