Manjavozavo ary mizotra any amin’ny jadona ny firenena, hoy ny mpanao politika, Gaby Vakiniadiana.
Ilay fahamehana ara-pasalamana hatrany no hitondrana ny fitantanana, hoy izy, ankehitriny, ka ho takona fa tany tan-dalana i Madagasikara, raha izao no mitohy. Tsy ny Artemesia no hampanankarena ity firenena ity. Efa ela io no nisy teto. 4 taonina isaky ny hektara no voka-bary any Alaotra Mangoro isan-taona. Ny artemesia firy taonina isan-taona, hoy ny fanontaniany? Firenena 600 isa eo no efa milaza ny hamokatra io Artemesia io ankehitriny ka tsy io mihitsy no hampanankarena antsika fa ny toe-tsain’ny mpitondra sahy hitantana mangarahara sy tsy tia tena, hoy izy. Ireny aza tamin’ny fotoan’androny nisy andramena maro nivoaka fa tsy nanankarena isika. Maro ny fitrandrahana tokony hitondra fampandrosoana toy ny resaka fasimainty sy granita saingy mbola eto isika hatramin’izao. Tokony hazavaina antsipirihany izao hoe nanao ahoana ny lalan’ilay fanampiana 414 tapitrisa dolara, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.