Politique

Gaby Vakiniadiana “Ho lafo hatramin’I Madagasikara raha izao no mbola haharitra”


  • Zoma 29 Aprily 2022

Ho asondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Firy isan-jaton’ny vahoaka Malagasy moa no mpiasam-panjakana,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Gaby Vakiniadiana? Hahazaka ny vidim-piainana hihoatra noho ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ve ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina? Mianton-tena ny sehatra tsy miankina. Iza no hanome vola azy eo sa ahena ny mpiasa dia ho be indray ny tsy an’asa nefa miakatra hatrany ny vidim-piainana? Tsy voafehin’ny fitondram-panjakana ireo mpamongady eto Madagasikara dia ny vazaha sy ny karana. Heverin’ny fitondram-panjakana fa efa fampielezan-kevitra izao fotoana izao dia any amin’ny resaka karama izy no manala vokona. Hiakatra ny vidin-dasantsy, ny saran-dalan’ny taksibe, ny saran-dalan’ny taksy borosy. Tsy vahaolana io fa tsy fantatra hoe zatra mamosavy ve sa zatra mamono olona dia manohy izany an-kolaka? Ny vahaolana amiko dia ny fanomezan-danja ny ariary. Ataovy ny tahirim-bolamena na “banque d’or” fa izany angamba izao any am-paosin’ny mpitondra fanjakana tsirairay avy. Ny hany hitan’ny vahoaka Malagasy dia hoe misy volamena 73,5kg very, misy izao kilao nivoaka ary, izao taonina tary, kaontenera be dia be lasa ary. Tsy misy afa-tsy politikan’ny mpitondra izay mbola manao propagandy no eto, politikan’ny werawera. Mbola mety ho tonga any am-paosin’ny vahoaka Malagasy ve ireo volabe lazain-drizareo fa nentiny avy any sa hanomanana fifidianana 2023? Vola ny tamin’ny Covid 19 fa nankaiza? Nisy fanadihadiana nataon’ny tompom-bola nivoaka nefa tamin’ireny. Ho lafo hatramin’I Madagasikara raha izao fitondrana izao no mbola haharitra sy ho ela eto. Na ny hiteny hoe “Ici, c’est Madagascar!” tsy vitan’ny mpitondra Malagasy. Tsy misy izany demokrasia izany intsony eto fa ny misy dia hoe “Ce sont les demons qui crachent ici!”. Mila vavaka mahery vaika sy fijoroan’olona mahery vaika hanoherana izany, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT