Politique

Front de libération nationale “Tsy piesy vitsy vaovao no manome fiara vaovao”


  • Zoma 18 Martsa 2022

Vaovao araka ny filazany azy nefa ny teo ihany no teo fa nampiana kely raha ny governemanta vao natsangana io no lazaina, hoy ny antoko politika FLN na “Front de libération nationale”.

 Ny fisiana piesy vaovao amina fiara iray dia tsy milaza fa ilay fiarakodia no lasa vaovao, hoy ny filohan’izy ireo, Iada. Tsy piesy vitsy vaovao no manome fiara vaovao. Ny endriky ny fanamboarana ilay governemanta no mampiheritreritra satria tsy mifanaraka amin’ny heritreritry ny olona rehetra izay niheritreritra fa hisy ny fanovana governemanta na ho fanitsiana aza dia nisy ireo olona noheritreretina fa tsy tokony ho anatin’ilay governemanta intsony. Nefa moa matoa ireo olona ireo tafaverina dia mety tanterany marina angamba ilay hoe naha governemantan’ny fihetsehana na “gouvernement d’action” ilay governemanta teo aloha. Matoa ireo olona hitantsika tao anaty governemanta foana hatrany am-piandohana mandrak’anio dia mahavita an-tsakany sy an-davany ny asa nampandraiketin’ny filohan’ny repoblika sy praiminisitra azy izy. Izany hoe ireny asa hitantsika fa somary manelingelina antsika ireny dia nampanaovin’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra azy. Ny asa tsy vita tao anatin’izay 3 taona sy tapany izay aza heritreretintsika intsony hoe ho vita ao anatin’ny 1 taona sy tapany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Legende: Iada
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT