Te hampahatsiahy zavatra maro manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny
ny antoko politika FLN na “Front de libération nationale”, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Iada. Tokony ho tsapan’ny filoham-pirenena ankehitriny fa eo am-pelantanany ny ain’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa. Izy no mitazona ny atao hoe fiandrianam-pirenena. Aminy ny fanapahan-kevitra raisina rehetra. Miankina amin’izay no hahafahana mampandroso ny firenena sy hahafahan’ny vahoaka mihinana sy mitsabo tena na tsia. Tokony ho tsapany fa ny olona rehetra tendreny dia mpanatanteraka fa tsy mpandinin-draharaha. Rehefa tsy mahatateraka izay nasainy notanterahana, noho izany, dia na mametra-pialana na esoriny eo noho eo. Ain’olona io fa tsy kilalao. Maro ny azo resahana, indrindra, io resaka tsy fahampian’ny foto-tsakafon’ny Malagasy amin’izao fotoana izao io. Ny hita dia efa tapi-dalan-kaleha ny fitondrana. Aza adino fa nojerena ny fahaizan’ireo mpikamban’ny governemanta. Nilaza izy ireo, hatramin’ny filoham-pirenena, fa efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny fitondram-panjakana. Ny olona manao ny ainy tsy ho zavatra izany dia efa tapitra ny fahaizany sy ny fahalalany fa ny ainy mihitsy no manaraka ka rehefa tonga amin’izay izany izy dia tsy manana hevitra intsony fa io no zava-bitany farany indrindra. Aleo noho izany, hoy hatrany ny FLN, tsy hanao mpisikidy mila voa tsy hary fa hanova satria vao miha loza raha mitohy izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.