Politique

François Hollande Manomana ny fifidianana filoham-pirenena 2022


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Nivahiny tamin` ny haino aman-jery BFM TV ny filoha frantsay teo aloha, François Hollande, ka nanontaniana mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena taona 2022 any Frantsa.

 

 

 

 Nambarany hatrany fa miankina amin' ny vina sy sosokevitra iombonana sy mahomby ho an'ny Frantsay izany. Eo am-panomanana izany izahay, hoy izy, ka rehefa maharesy lahatra ny rehetra dia ho hita eo izay olona hitarika azy. Naneho tsindro-paingotra madinidinika ho an'ny fitondrana ankehitriny ihany koa ity filoha Frantsay teo aloha ity izay mpikambana ao amin'ny Antoko avy amin'ny hery ankavia- sosialisita. Raha tsy misy ny firaisankina dia ho zava-poana ny ezaka atao, hoy ihany izy, izay nanitrikitrika fa tetik'asa ataolotr`i Jean-Luc Mélenchon, depiote sady filohan'ny hery politika ankavia LFI (La France Insoumise), dia tsy ho afaka handresy ka hahangona 51% -n'ny Frantsay. Ity farany moa manana eritreritra ny mbola hirotsaka ho kandidà filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka amin'ny taona 2022 ihany koa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT