Politique

Franck Ramarosaona Ny harin-karena 2007-2008 no niainana teto


  • Zoma 07 Janoary 2011

«Mahazo manao izay tiany atao ny fanjakana ankehitriny fa tsy misy ny fifanarahana amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI)», hoy i Franck Ramarosaona anisan’ny mpandinika politika diso fantatra, zanaky ny Repoblika voalohany.

Vao amin’ity volana janoary 2011 ity no ampiharina ny teti-bolam-panjakana nofinidin’ny Parlemanta roa tonta farany teo nefa dia efa vesarana «exonération» amin’ny fanafarana vary amidy mora latsaky ny 1200 Ar sahady. Nahoana no tsy efa mba novinavinaina tamin’ny nandrafetana azy io izany ? «Ny Trésor ve», hoy izy, «no hiantoka ny fisamboram-bola hataon’ny mpandraharaha hanafarana izany vary izany sa iza ?». Raha ny marina, hoy ity mpanao politika ity, dia tsy vahaolana velively amin’ny fahasahiranam-bahoaka ny Tsena Mora matoa mbola mitady lalana amin’ny hanenana ny vidim-bary ny fitondran-dRajoelina. Ny fanaovana «spéculation» na kolikoly isan-karazany no tokony ho jerena akaiky fa tsy ny fanomezana «exonération» indray no hihazakazahana eo.

Amiko, hoy i Franck Ramarosaona dia ny fijerena ny fiainam-bahoaka no mahamaika fa tsy ny fanaovana fampanantenana ny hanao hôpitaly be, kianja manara-penitra sns… izay tsy anjaran’ny fanjakana tetezamita velively no manao izany. Soa fa nisy ny taha ambonin’ny harin-karena navelan’ny teo aloha tamin’ny taona 2007 sy 2008, hoy izy, nampandehanan-draharaha hatramin’izay fa raha izay vola tao anatin’ny roa taona izay no nantenaina dia efa mahazatra ny maheno fa tsy misy ny vola matoa tsy voavaha ny olan’ny fitokonana etsy sy eroa (mpampianatra mpikaroka, mpitsabo, mpitsara sns…) mitaky ny zony avy amin’ny fahazoana tambin-kasasarana tsaratsara kokoa.

Nangonin’i Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT