Politique

“Fond souverain” nampiady hevitra Notendren’ny Fanjakana ny filankevi-pitantanana


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra ny 10 agositra ny fanendrena ny mpikambana ao amin'ny Filankevi-pitantanan'ny « Fonds Souverain Malagasy » na PSM.

Araka ny andininy faha-11 ao amin'ny lalàna lf: 2021-024 tamin'ny 29 septambra 2021 mifehy ny fananganana «Fonds souverain Malagasy», dia didim-panjakana raisin'ny Filankevitry ny Minisitra no hanendrena ny mpikambana ao amin'ny Filankevi-pitantanana.Ireto avy ary ireo mpikambana miisa 7 ireo: Avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika: Atoa RASOLONDRAIBE Tsiresy, Profesora RAZAFIMANJATO. Avy amin'ny Fiadidian'ny Praiminisitra : Atoa KALO Narcisse. Avy amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola: Sekretera, Atoa RAMANAMPANOHARANA Andry Velomiadana Bearison. Atoa RAZAFINDRAKOTO Rivoniaina.Rtoa RANAIVOSON Mialy Andrianina. Atoa RABARIJOHN Francis Christian. Mipatrapatraka ny diplaoma sy ny andraikitra ambony efa notanan’ireo olona ireo, raha ny hita ao amin’ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra. Raha ny lalan-tsaina hatrany am-boalohany, ahafahan’ny Fanjakana miasa sy mampiasa vola haingana kokoa ny fisian’io tahiry. Nisy kosa anefa ny miahiahy mafy amin’izany. Asa na efa niova ny hevina na tsia fa herintaona katroka tahaka izao, ny fiandohan’ny aogositra 2021 no nampitandrina ny Fanjakana momba io resaka « Fonds souverain » io depioten’i Toamasina Roland Ratsiraka. “Tsy nisy fitondrana nanaiky an’io, fa ankehitriny ity fitondrana ity dia hanao an’io, ka izaho dia isan’ny hijoro ao amin’ny antenimieram-pirenena mba tsy ahafahantsika hanaiky an’io satria ao anatin’io dia misy “fonds” fanaovana fampihorohoroana, fanondranana zava-mahadomelina, trafikana volamena,… ka tsy azo ekena izany vola maloto izany hiditra eto Madagasikara. Izaho dia isan’ny mampitandrina hoe : aza lotoina i Madagasikara satria ny hoavintsika Mianankavy no ho voadonan’izany, fa tsy ity Fitondrana ity, hoy izy. Nambarany tamin’izany fotoana fa io fitondrana io mandalo, kanefa hampiditra antsika kizo amin’ny zavatra ohatr’izany, ary ny firenena manana ambim-bava sy tombony ara-toekarena no manao izany fa tsy tahaka antsika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT