Niarahaba ny vahoaka malagasy sy ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny avy eo anivon’ny antoko politika Antokom-bahoaka malagasy na ABA tamin’ny alalan’ny sekretera nasionaliny,
Dany Rakotoson, noho ny fahavitan’ny famoahana ny voka-pifidianana tsy ofisialy teny Alarobia ny 15 jona teo. Tsy dia misy zavatra mety hiova be intsony, hoy izy, eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa mbola azo hatsaraina kosa ny fomba fiasan’ny CENI amin’ny hoe maha rafitra mahaleotena azy. Efa tokony hipetrapetraka dieny izao hatramin’ny datin’ny fifidianana filoham-pirenena hoe amin’ny 23 novambra 2023. Tsy tokony hisy rafitra banga no anton’io. Na ny tetibola aza, hoy hatrany izy, dia tokony efa dinihina toy ireny any amin’ny tany mandroso ireny. Dieny izao koa dia efa tokony hivoy ny foto-keviny avy ireo mpisehatra politika te handray anjara amin’ny fifidianana, hoy ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.