Ny filoha no tokony tsaraina sy tombanana amin’ny asa vitany. Tsy manana fahalalahana ny praiminisitra sy ny governemanta, fa voabahan’ny Filoha, hoy ny Firaisamonim-pirenena Voifiraisana.
Hatraiza ny fahalalahan’ny rehetra hanatanteraka programa iray miainga amin’ny rafitra samihafa hatrany amin’ny sefom-pokontany, hoy ity firaisamonim-pirenena ity. Nokianin’izy ireo ho tsy mamela ny governemanta tena hiasa, ary tsy manatanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny Filoha. Izay fehezin’olon-tokana izay no tsy mampandroso antsika, hoy hatrany ny Voifiraisana. Mifandraika amin’izay dia niparitaka ny resaka amin’ny mety fametraham-pialan’ny Praiminisitra ato ho ato sy ny mety ho fanovana mpikamban’ny governemanta, ka isan’ny niresaka an’io ny fampahalalam-baovao iray omaly. Tapa-bolana teo izay isika no niresaka fa efa nisy fifandresen-dahatra nandeha amin’ny mety ho fialan’ny Praiminisitra, ary miverina indray ny feo manodidina an’izany amin’izao. Mbola tsy misy izany resaka fanovana governemanta izany, hoy kosa ny Governoran’ny faritra Analamanga izay sady Mpandrindra ny antoko TGV Atoa Hery Rasoamaromaka. Mbola sarotra rahateo ny fanaovana tombana ho an’ireo minisitra amin’izao noho ny valanaretina. Tsy mahasakana ny asa anefa ny valanaretina, ary betsaka ny asa mandeha raha ny nambaran’io tompon’andraikitra io. Tsy mbola naheno an’izany aho, ary misy ny sasany tsy mahazo toerana raha tsy tetezamita, ka tsy fotoanan’ny tetezamita izao, hoy Atoa Hery Rasoamaromaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.