Tsikaritra ho niha nasiaka tamin’ireo minisitra tato ho ato ireo depiote ,singanina amin’izany ny fanakianan’ny depioten’i Toamasina Roland Ratsiraka ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola
nandritry ny fifanatrehan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo ary nilazany fa izahay miresaka aminao nefa ilaozanao milalao telefaonina. Namatrapatratra tamin’ny minisitry ny fitsarana ihany koa omaly ny filohan’ny vaomieran’ny fananantany Naivo Raholdina eo anivon’ny antenimierampirenena manoloana izay nolazainy fa kabary tsy valiana fanakianana nataon’ity minisitra ity taminy nandritry ny “face à face” farany teo hatrany.Na ny fandraisam-pitenenan’ny depioten’Ampanihy Keron Idealson teny amin’ny CCI Ivato koa na tsy dia nanao fanakianana be mivantana aza dia nisy tsindro-paingotra ihany ho an’ny governemanta ny amin’ny tokony hanafainganana ny fanatanterahana ireo zavatra nampanantenaina.Tsy mifannalavitra amin’izany ny an’ny Depiote sady mpanakanto Tsiliva izay nahavoaka teny mihitsy moa hoe : efa fantatra iroe tetikasa fa dia hivavahana mafy izany ny hahatanterahan’izy ireo soamantsara.Ao anatin’izany rehetra izany dia mahoraka ny resaka fikitihana ny mpikambana sasany ao anatin’ny governemanta, satria misy ireo tena tsy mahavita azy hoy ireo solombavambahoaka mpanohana fitondrana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.