Anisan’ny nanakianana matetika ny fitondrana Ravalomanana ny fanovana saika nataony teo anivon’ny foloalindahy sy ny fanovana ireo mpitantana na tompon’andraikitra ambony.
Rehefa nanomboka ny fifandirana politika tamin’ny 2009 dia nirona tany amin’i Andry Rajoelina ireo manamboninahitra miaramila sy zandary ary polisy ka nandray anjara mivantana tamin’ny fanonganana an’i Marc Ravalomanana. Tsy nanaiky ny fifampidinihana intsony izy ireo fa namindra avy hatrany ny fitondrana tany amin’i Andry Rajoelina. Nanomboka teo dia anisan’ireo mpiasam-panjakana tena tsara karakara ny miaramila sy ny zandary. Naverina manontolo any amin’ny ministeran’ny fiarovana ny fitantanana ny volany, tsy tataovan-ketra ny tambin-karama sady nampitomboina. Mbola misy koa aza ny fankasitrahana manokana. Vola daholo izany.
Maro be ny manamboninahitra nahavita nanangana trano sady nividy fiara, ary na ireo manamboninahitra lefitra sy ny vata miaramila sasantsasany koa aza dia nisy afaka nividy fiara tampoka sy moto ary kojakojan-tokantrano lafo vidy maro. Mbola nahazo fitaovana sy fanamiana ihany koa izy ireo. Vao nigadona anefa ny volana mey 2010 dia nipoitra sahady ny disadisa anatiny, ka nisy ny fikomian’ny FIGN ny 20 mey. Nosamborina dia nogadraina ireo zandary ireo, hatramin’izao. Fitakiana ny marina momba ilay vola 500 tapitrisa Ariary voalaza fa nomen’ny filoha teo aloha ny mpitandro filaminana no anton’ny fitakiana. Ny 17 novambra 2010 indray dia niseho ny raharaha BANI, ka nanambaran’ireo andiana manamboninahitra ny zavatra tsy mety amin’ny fitantanana ny foloalindahy sy ny firenena.
Nosamborina dia nogadraina koa izy rehetra teny Ivato. Maro be ireo nambara fa fikononkononan’ny miaramila haka fahefana, na ny hoe misy vondrona miaramila mivory etsy sy eroa. Mailaka manova tompon’andraikitra na mamindra toerana ny fitondrana tetezamita raha vao misy ny zavatra tahaka ireny. Mifanindran-dalana tamin’izay dia nirarakopana ny fampisondrotana grady, ary tena nampitolagaga mihitsy fa nisy ny nisalotra ny gradina kolonely tamin’ny 2009, ankehitriny dia efa “Général de division”. Nampiasain’ny fitondrana tetezamita hanapenam-bava ny mpanohitra ihany koa ny foloalindahy ary tena tsy nisôma, araka ny fomba fiteny mihitsy izy ireo, fa nampiseho ny maha bokon’ozatra azy. Akory anefa ny fahagagana fa tsy nahovoka firy ry be baoty rehefa nalefa nanenjika dahalo tany atsimo.
Rehefa natambatra izany tranga rehetra izany dia azo lazaina fa nataon’i Andry Rajoelina fitaovana hakana fitondrana sy hanamafisana ny fahefany ny foloalindahy, nataony ao am-paosiny, ka ireo izay manohana azy dia voakarakara tsara fa izay miseho be fanontaniana sy be fanakianana na mitady tsy hanaraka ny sitrapony kosa dia, esorina amin’ny toerany, na ampidirina am-ponja. Tsikaritra fa tena manomboka manapotika ny foloalindahy malagasy ny herin’ny vola sy ny fomba ratsin’ny politika. Ireo zokibe be galona koa moa, asa na variana amin’ny inona fa dia mitazam-potsiny sy manara-drenirano fa tsy mba mijoro hiaro ny hasin’ny foloalindahy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.