Politique

Fokontany sasany eto Antananarivo Rahonana tsy hahazo tombotsoa izay tsy miditra TGV ?


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Mandeha ny fikafika sy ny kajikajy politika. Toa karazan’ny efa ketrika avo lenta mandeha any amin’ny kajikajim-pifidianana.

 “Tsy haiko izy io na manerana an’Antananarivo manontolo eny na eran’i Madagasikara mihitsy fa ny aty amin’ny boriborintany faharoa dia mitety trano manentana ny olona hiditra anaty TGV io, fa raha tsy izany hono dia tsy mahazo zavatra izay tsy manana “badge” rehefa misy zavatra zaraina, dia roboka tokoa ny olona manatitra sary tapaka sy “photocopie”. May ny olona satria noana dia manao tokoa. Tena marina io Fokontany 3 manodidina anay izao no fantatro fa efa manao daholo ary mahazo olona tokoa”, hoy ny loharanom-baovao sady fijoroana vavolombelona iray. Asa aloha izay mety ho valin-kafatra na fandisoana avy amin’ny TGV, fa izay no ambaran’ny eny ifotony. Efa endrika iray nisehoan’ny mitovitovy amin’izany ny tany Tsiroamandidy namoriana ny mpampianatra iray volana lasa teo izay ka nananganana ny hoe: TGV Fanabeazana. Lazaina fa olom-pirenena manana ny safidiny, saingy mety misy ny matahotra ho tratry ny kakay, ka dia manarak’efa eny. Tombanana ho efa tafiditra ao anatin’ny kajikajy hiatrehana ny fifidianana manaraka, fanerena ankolaka ny olona hiditra anaty antonkon’ny fitondrana. Mety ho efa fanomanana lisi-pifidianana na kajy politika avo lenta ankolaka ihany koa aza,… Ny tena mahonena dia ny fanararaotana ny vahoaka amin’ny fahasahiranany, ary hita taratra hatrany eto amintsika ny “manipulation de masse” na filalaovana saim-bahoaka. Toa mamorona olona na miseho ny olana amin’ny tsy fahaiza-mitantana, dia avy eo mitondra vahaolana tsy mankaiza mba hoderaina ho toy ny Mesia hanavotra. Rehefa maty noana na maty voky ny vahoaka, dia mora ny mitarika sy manery azy mivantana na ankolaka amin’izay hitiavana azy, ka ny eto aloha izao dia maty noana no miseho. Tena atao tahaka ilay fanandramana tamin’ny akoho nataon’i Adolph Hitler ny olona hoe: nosamborina sy nongotana ny volony, ary nivoa-drà, fa rehefa homena katsaka kely dia iny manatona ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT