Hisokatra amin’ny ankolafy samihafa ny fananganana ny governemanta. Nilaza ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina raha nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny fa tsy maintsy ahitana taratra ny fampihavanam-pirenena sy ny fanajana ny lalàna velona ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta.
Momba ny fodian-dRavalomanana indray dia nilaza izy fa ny Malagasy 20 tapitrisa no mahamaika azy fa tsy variana amina olona iray. Nambarany anefa fa afaka mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana ny firenena i Marc Ravalomanana raha toa ka tena tia tanindrazana tokoa, ary io fitiavan-tanindrazana io no mety hampifanatona anay mirahalahy, hoy hatrany Rajaonarimampianina. Asa moa na mody fanina tamin’ny voalazan’ny tondrozotra ity farany, tondrozotra izay efa lasa lalàna ary milaza mazava ao amin’ny andininy faha-20 ny famelana malalaka ireo sesitany politika hody tsy misy fepetra an-tanindrazana ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana.
Lalàna io, ary tsy iadian-kevitra, fa ampiharina, ka andrasana hoe manampianiavana marina hanatanteraka izany ve ity filoha ity, izay manao tsianjery ny fampihavanam-pirenena sa ny fanaporofoana fahaiza-miresaka manoloana ny vahiny aloha no metimety aminy ankehitriny, fa tsy izay handaminana ny firenena hisian’ny fitoniana ? Ny filoha Marc Ravalomanana rahateo milaza fa mety aminy io fitondrana io, ary tsy mitsahatra miantso ireo mpiara-dia aminy hanome tanana sy hiara-hiasa amin’ny fitondrana mijoro ho tombontsoan’ny firenena. Izy izay naneho fandeferana hatrany teo anatrehan’ny zavatra maro nitranga sy nosedrainy ka fitiavan-tanindrazana ve hihoatra izany ?
Yves sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.