Ny faran’ny herinandro izao no hivory any Dar el Salam renivohitr’i Tanzania ny Troika-SADC.
Horesahana ao indray ny krizy malagasy ary andrasana ny tena hevitr’ity fikambanam-paritra ity momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hatreto aloha dia mbola manjavozavo amin’ny maro ny hevitry ny SADC fa toa diplaomasia avo lenta loatra, ho an’ny olon-tsotra. Misy amin’ireo mpanao politika sy ny mpandinika ny fiarahamonina ihany anefa no mety efa mahatakatra ny tanjona tiana hahatongavana amin’io politika manjavozavo io. Tsy misy tena mahalala izay ativilanin’ny SADC any anefa, fa ny azo antoka fotsiny dia misy ny firenena matanjaka miditra amin’ny famahana ity krizy eto Madagasikara ity. Azo antoka ihany koa fa misy ny paikady hanilihana an’i Marc Ravalomanana sy handambolamboana ireo mpanao politika manodidina azy mba hamadika palitao. Misy koa ny tetika natao mba hanakiviana ireo olona manohana azy ka hahatonga azy ireo hiraviravy tanana. Tsy zava-baovao izany fa efa fahita hatraiza hatraiza. Ny fantatra kosa anefa dia tsy hanaiky lembenana hatramin’ny farany Atoa Marc Ravalomanana. Tsy toetrany ny milavo lefona manoloana ny tsy rariny izany. Izy rahateo efa nilaza fa raha mbola velon’aina ihany dia hanompo an’i Madagasikara, ary ho an’ireo izay mahalala azy tsara dia mahafantatra fa tsy eken’ny sain-dRamose izany hoe hamela ny Malagasy ho fitahan’ny vondron’olona tia tena sy mangoron-karena fotsiny, fa tsy mba mizara izany.
Fony i Marc Ravalomanana mbola teo amin’ny sehatry ny fandraharahana dia nifanenjana tamin’ireo orinasa vahiny goavana teto, ary vitany ny nampilefitra ireo vahiny ireo. Nifitsaka ny Karana rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny PDG-n’ny Tiko. Tsy tongatonga ho azy izany fa...ao raha. Izany rehetra izany no hahafahana milaza fa hanao izay fomba rehetra hahatafaverina azy eto Madagasikara, ity filoha teo aloha ity, noho ny fahatsapany fa tena misy mampijaly sy manararaotra ny vahoaka Malagasy, no sady nofitahana ihany koa. Ny zava-nitranga rehetra hatramin’izay koa anefa, dia azo nitarafana fa henjana ny adihevitra eo anivon’ny SADC momba an’ity filoha teo aloha ity, ka izay no mahatonga ireny fanambarana misabaka navoaky ny SADC isaky ny mihetsika ireny.
Ankehitriny kosa anefa dia efa tafakatra ambonimbony kokoa ny maripana, koa heverina fa hahalala ny tokony ataony amin’izay ireo mpanelanelana iraisam-pirenena fa tsy hanao politikan’ny mivoaka-miditra. Efa fantatra ny datim-pifidianana, Atoa Marc Ravalomanana efa nilaza fa ho kandida, koa mila milaza mazava ny heviny izany amin’ny alahady izao ny SADC hoe : mety ve sa tsia ny hiverenany eto Madagasikara sy ny haha kandida azy ? Avela mody malalaka eto ve Atoa Marc Ravalomanana, ka arovana manokana ny ainy sy ny fianakaviany sa dia ho samborina izy, ka ho tsaraina araka ny hirahiran’ny sasany hatramin’izay ? Maro no mihevitra fa ho sarotra ny hahatanterahan’ny fifidianana eto, raha tsy mazava ny momba an’Atoa Marc Ravalomanana; ary amin’ny maha mpanelanelana voalohany azy dia manana adidy milaza marina ny heviny ny SADC, fa raha sanatria ka mody fanina, moa izy dia anjaran’Atoa Marc Ravalomanana no mandray fanapahan-kevitra hentitra ary ato anatin’ny tapabolana no tsy maintsy hahafantarana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.