Ny tokony ataon’ny fitondram-panjakana voalohany manoloana izao fiakaran’ny vidin-tsolika izao aloha dia tsy mampitaha ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin’ireo tany manana vidin-tsolika lafo,
hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison. Tokony tsy atao mifampitaha mihitsy, hoy izy, ny vidin-tsolika. Samy manana ny politika fiskaliny ny firenena rehetra. Any Frantsa, ohatra, 80% ny hetra. Aty amintsika tsy haiko. Raha hampitaha ianao dia tokony ny vidiny alohan’ny politika fiskalina tany iray. Tamin’ny 2012, 2013, 2014 tany efa teo anelanelan’ny 110 sy 120 dolara ny vidin’ny barila solitany. 3370 Ariary tamin’izany no litatry ny lasantsy. Nidina 47 dolara ny barila ny taona 2014. Nidina 40 dolara 2015. Nidina amin’ny ampahatelony. Mbola niakatra 3560 Ariary indray anefa teto amintsika ilay 3370 Ariary. Niakatra hatreo amin’ny 80 dolara indray io 2015 hatramin’ny 2021. Izao izy 104 dolara. Fa maninona rehefa midina ilay izy dia tsy ampidinina ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa? Niverina amin’ny laoniny fotsiny io 104 dolara androany io fa tsy hoe niakatra nefa maninona no hakarina ny vidin-tsolika eny amin’ny tobin-tsolika? Tokony mametra-pialana ny minisitry ny angovo fa tsy mahay ny asany. Aza vonoina ny malagasy! Rehefa tsy ainareo ny mitondra an’io dia manome vahaolana ny FMI Malagasy. Omena tsy misy takalony. Esory io “flottement” io. Didim-panjakana dia mahafaka an’izany. Miverina amin’ny tahabola tsy miovaova isika dia tsy misy afa-tsy didim-panjakana sisa mampiakatra sy mampidina ny tahabola. Maka didy ny fanjakana dia mampiakatra 200% ny sandam-bola. Midina amin’ny ampahahefany ny vidin-tsolika, ny entana rehetra afarana avy any ivelany, ny vidin-javatra rehetra. Izay no tadiavin’ny vahoaka fa tsy ity miakatra miakatra lava ity, hoy hatrany ny FMI Malagasy.
J. Mirija
Legende: Toy izao ny kisarin’ny vidin-tsolika hatramin’ny 2012, hoy ny FMI Malagasy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.