Politique

FMI Malagasy “Famonoana sy fanambakana ny fampiakarana vidin-tsolika”


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Raha mitranga ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia tokony afaka midina an-dalambe mihitsy ny Malagasy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy,

 ny sabotsy teo, satria tena ambakaina sy vonoina. Raha vao miakatra ny vidin-tsolika dia hiakatra indray ny vidin’entana, hoy ny filohan’ny FMI Malagasy, Jean Jacques Ratsietison. Izao tontolo izao no mividy solika. Ny vidin-tsolika tamin’ny janoary 2020 izao dia 60 dolara teo ny barilina. Tonga ny hamehana dia nihena ny fanjifan’ny olona solika maneran-tany. Niaraha-nahita fa nidina hatrany amin’ny 40 dolara ny barila. Hatrany amin’ny 20 dolara ary nisy niteny aza fa nomem-potsiny na ianao no omena vola rehefa maka ilay solika satria tsy nanana hitahirizan-tsolika intsony ny mpandrinjara. Rehefa izay dia nidina ny vidin-tsolika tany Frantsa, ohatra. Amin’izao fotoana izao hiakatra ilay izy fa hiverina amin’ny vidiny tamin’ny janoary 2020. Lojika izay. Niakatra 20 centimes ny litatra any Frantsa. Tokony toy izany no nisy teto Madagasikara. Tokony nidina be ny vidin-tsolika dia izao izy miverina miakatra 60 dolara ny barila dia tsy maninona raha averina amin’ny laoniny ilay vidiny fa tokony hiverina amin’ilay tamin’ny janoary 2020. 4000 ariary ny litatry ny lasantsy tany. Tokony nidina 3500. Fangalarana ny fampiakarana io 4000 ariary io, hoy hatrany ny FMI Malagasy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT