Politique

Florent Rakotoarisoa - Filohan’ny HCC “Toy ny baolina io, izay resy milaza fa miangatra ny mpitsara”


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Naneho hevitra momba ny adihevitra samihafa mikasika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana (CENI) ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa omaly.

 Maro moa no manahy, fa hitongilana amin’ny Fitondrana ankehitriny ireo rafitra miantsoroka ny fitantanana sy fitsarana ny fifidianana ireo. Naneho anefa ny Filohan’ny HCC fa tsy miditra amin’izany fa manaraka amin’izay voalazan’ny lalàna. “Raha mikasika ny fanakianana, dia iarahantsika maheno. Tsy manan-kambara izahay ato amin’ny HCC, mijery hoe ara-dalàna sa tsia. Ara-dalàna tsy misy “recours”. Mahaleo ten any CENI, fa hisy ny tolotananay ataonay, tsy hoe ny HCC no hibaiko ny CENI. Mba hamolavolana ny pakiady tsy hampihenana ny halabato”, hoy izy. Tsy nihambahamba moa ny Filohan’ny HCC, fa tahaka ny baolina ihany io, ka indraindray izay resy dia milaza fa mangalatra ny “arbitre” na ny mpitsara. Tena hiezaka tokoa izahay mba tsy haha be resaka intsony mahakasika ny fifidianana, fa hijoro araka ny lalàna sy ny rariny. Mety hisy ny rafitra ikambanana mikasika ny ady amin’ny halabato izay manakoronana, hoy ny Filohan’ny HCC. Ny toky fitaka, fa ny atao no hita, ka dia miandry ny rehetra. Ambony kokoa anefa ny ahiahy noho ny endrika nahatongavan’izy ireo teo amin’ny toerana sy ny fifandraisany amin’ny Filoha sy ny fahefana mpanatanteraka. Ny Filohan’ny HCC dia tsiahivina fa efa minisitra tamin’ny andron-dRajoelina nitondra ny tetezamita, ny Filohan’ny CENI ankehitriny efa avy mpikamban’ny HCC notarihin’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa izay nilaza ilay hoe: “azo raisina fa tsy mitombina” ny fitorian’ny mpanohitra. Adihevitra tamin’ireny ny hoe: fitoriana efa ho 700, mpahay lalàna maro, parlemanta maro,… no nandrafitra azy, saingy nolavina avokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT