Elaela izay no tsy nahenoana intsony ny tabataban’ny mpanao politika, Fleury Rakotomalala, tao anaty tambazotran-tserasera tao. Tsy hay aloha izay antony fa dia nangina ranamana.
Resy lahatra amin’ny fitondrana ankehitriny ihany ve no niafarany sa izay fahanginana izay mihitsy no baiko voarainy avy amin’izay naniraka azy? Azo lazaina ho mafimafy tsikera izao fitondrana izao ihany ny tenany nialoha ity fahanginana ity ary nahavita nanao ampamoaka maro mihitsy satria any am-pitan-dranomasina moa no fonenany. Ankehitriny anefa… Ombay mitady !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.