Mba efa saika nahazo toerana avokoa ireo tao anatin’ny Vondrona ARMADA
(Alliance Républicaine pour Madagascar) izay isan’ny nanampy sy nanohana ny kandida Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ankoatra an’Atoa Soja Jean André dit Kaleta, mpanorina sy mpitarika ny antoko “Lia raiky”, isan’ireo tao anatin’io vovonana ARMADA io. Ny jeneraly Camille Vital (Hiaraka isika) lasa ambasadaoro any Maorisy, Atoa Jean Louis Robinson (Avana) lasa Ambasadaoro any Chine; Atoa Georget Alexandre (Maitso) efa teo amin’ny toerana maha minisitry ny tontolo iainana, Atoa Norbert Lala Ratsirahonana mpanolontsaina manokan’ny Filoham-pirenena, Atoa Herimanana Razafimahefa tao anatin’ny Grad Iloafo io lasa Filohan’ny antenimierandoholona io. Adino tanteraka ve i Kaleta sa efa nisara-dàlana? Ny volana novambra 2020 dia naneho hevitra tamina onjam-peo iray tany Taolagnaro izy. « Ohatry ny tany tsy misy fanjakana i Fort-Dauphin. Mampitandriny, fa lany daty ny vandivandy ataonareo. Rehefa tsy hiasa ianareo ao amin’ny « commerce » dia mialà, manaova fametraham-pialana », hoy Atoa Kaleta tamin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.