Politique

Fizarana an’i Vatovavy Fitovinany Mody fanian sa nihemotra indray ny Fanjakana ?


  • Talata 01 Desambra 2020

Nangina tsy nisy tohiny intsony aloha hatreto ilay raharaha fizarana ho roa ny

 

 

faritra Vatovavy Fitovinany. Adihevitra ny momba an’Ikongo izay noterena ho any Fitovinany, raha toa ka Vatovavy no nambaran’ireo Ampanjaka sy olobe fa mifamatotra ara-pomba sy ara-tantara. Nenjehina mafy ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena teo anatrehan’ny fironany fa Vatovavy no mety amin’Ikongo. Isan’ny niteraka resabe ny fifamaliana tamin’ny alalan’ny tambajotra facebook teo aminy sy ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga, izay naneho tao anatin’io resaka io hoe mialà ianao atao anatin’ny MAPAR fa manao mpamosavy malemy. Voalaza ny mahakasika ny mety hanonganana azy tsy ho Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena sy hamoahana dosie maloto. Nandeha ny resaka olom-boafidy sy olom-boatendry. Niakatra ambony ny daozin’ny fifanolanana ara-politika taorian’ireny. Efa nisy ny teny mahery nataon-dry Depiote Rossy fa maka an’i Depiote Brunelle izy ireo satria izy no olom-boafidy, ary ireo no tena nifofotra tamin’ny tolon’ny depiote 73 isan’ny fotrotr’izao fitondrana izao. Nandeha ihany koa ny karazana teny maherin-dry Minisitra Hajo Andrianainarivelo momba ireo olom-boatendry ambarany fa misekoseko eo akaikin’ny filoha, ka tsy ireny mihitsy no tokony hanindritsindry olom-boafidy. Taty aoriana, mbola nanao tsindrom-paingotra ny depiote Voninahitsy Jean Eugène nampitandrina ny Filoha fa ireo manodidina azy no hanimba azy. Nolazaina fa mipentsompetsona sy manambany ny Filoha lefitry ny andrim-panjakana misy azy dia Atoa Brunelle Razafitsiandraofa Rtoa Rinah Rakotomanga. Taorian’ireny, toa somary nangina tanteraka ny raharaha fizarana ny faritra Vatovavy Fitovinany. Nangingina ny tsy nisy tohiny intsony, tsy fantatra hoe inona no dingana manaraka fa nijanona tamin’ilay fanambarana ofisialy. Mody fanina amin’ny fizaram-paritra ity ve ny Fanjakana sa niverin-dalana rehefa nahita vondrona distrika hafa mitaky ho faritra mitokana ihany koa .Sa nahatsapa mihitsy fa nisy tsy nety io fizarana an’i Vatovavy Fitovinany io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT