Politique

Fizarana an’i Vatovavy Fitovinany Andrasana izay hafitsoky ny depiote


  • Talata 20 Oktobra 2020

Ankoatra ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021, dia isan’ny ho lahadinika halefa eny amin’ny Parlemanta ny resaka fizaram-paritra ka hitsangan’ny faritra faha-23, ambara fa veliranon’ny Filoha.

Vatovavy dia ahitana ny distrikan’i Nosy Varika, Ifanadiana ary Mananjary. Ho an’I Fitovinany kosa, dia Manakara, Vohipeno, ary Ikongo. Nanohitra an’io ireo Ampanjaka sy Olobe izay mitaky ny hampidirana an’Ikongo ho any Vatovavy miaraka amin’ireo distrika hafa mitovy ara-pomba aminy ka tsy tokony hosarahana. Nisy ny fanamafisana ny hoe: raha tsy hahazo fotodrafitrasa noho ny fijanonana hiaraka amin’I Vatovavy, dia ho azo ihany izany amin’ny fitondrana manaraka. Nangina tsy nandrenesam-peo ny mpitondra taorian’iny, ka asa izay hiafarany etsy Tsimbazaza. Efa hafatra goavana niantefa tamin’I Andry Rajoelina ireny ka hizirizy amin’ny heviny ve ny fitondrana izay efa nanapaka ny fizarana ho distrika telo avy sa hihaino ireo avy any ifotony? Hanao amboletra satria manana ny maro an’isa etsy Tsimbazaza sa hanaiky hilefitra? Zary toa santatry ny an-kizarazara faritra, izay maromaro izy amin’izao, ka mety ho lasa didy fakan-tahaka iray velirano miteraka adihevitra ny fampiharana azy ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT