Politique

Fizaran-toerana “Tsy anjaran’ny TIM sy TGV-UDR-C samirery”, hoy ny HPM


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Rariny raha ny ankolafy Ravalomanana sy ny UDR-C miampy ny TGV no manomboka ny fifampidinihan’ny mpanao politika ankehitriny satria ireo vondrona roa ireo no tena nifandona ka niteraka ny krizy araka ny hevitry ny Sekretera jeneralin’ny HPM, Manantsoa Victor.

Na izany aza dia manantena ny HPM fa mbola hivelatra amin’ny antoko sy fikambanana mpanao politika hafa ny dinika fikaroham-bahaolana mba hampiverina amin’ny laoniny amin’izay ny toe-draharaha politika eto amintsika. Mbola maro rahateo, hoy hatrany ity filohan’ny vaomiera misahana ny famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena ity ny raharaha mila fandinihana lalina toy ny famoahana ny lalàna momba ny antoko politika, ny satan’ny mpanohitra, ny fanatsarana ny lalam-pifidianana sy ny famoahana ny lalàna mifehy ny fifandraisana. Nambaran-dRalison Roger, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny HPM koa fa ny besinimaro no miara-manapaka ny isan’ny seza ao anatin’ny rafitry ny tetezamita iraisana fa tsy anjaran’ny TIM sy ny TGV ary ny UDR-C samirery akory ; izay no valin-kafany manoloana ny filazana fa efa mandrafitra ny fizaran-toerana sahady ireo mpivory eny amin’ny Le Hintsy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT