Politique

Fivorian’ny mpanolotsaina Tsy tonga nanatrika ny ben’ny tanàna


  • Zoma 25 Febroary 2022

Manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana faharoa ireo mpanolotsain’ny tanàna Antananarivo izay atao amin’ity taona 2022 ity. Fivoriana izay haharitra telo andro.

 Tsikarik’ireo mpanolotsaina fa tsy nipoitra hanotrona ity fihaonan’ireo mpanolotsaina 55 mianadahy ny ben’ny tanàna izay mpanatanteraka. Teboka maromaro izay arahina fanontaniana no niandrasan’ireo mpanolotsaina valiny amin’ny ben’ny tanana mifantoka amin’ny fampandrosoana ny tanana. Tsy afaka nametraka izany ireto farany. Raha ny fantatra dia sahirana arak’asa ny ben’ny tanàna andriamatoa Naina Andriantsitohaina raha ny tatitra azaon’ireo mpanolotsaina izay andro nanohizana ny fivoriana tsy ara-potoana. Ny mpanolotsaina iray izay tafaresaka taminay aza nilaza fa tsy afaka mandray anjara fitenena izy raha tsy eo ny ben’ny tanana izay voafidim-bahoaka satria olam-bahoaka no tiany hametrahana fanontaniana amin’ity farany izay nandrasana tsy tonga. Ny filohan’ny filan-kevitra monisipaly ary ireo lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny kaominina ihany no niatrika nivantana ireo mpanolotsaina tanana . fehi-kevitra maromaro no hodinihan’ireo mpanolotsaina tanana mandritran’ny fivoriana tsy ara-potoana io. Ny fomba fampidirana rano izay atao ny fanalefana azy, ny fanomezan-dalana sy ny fanara-maso amin’ny fanorenana trano eto an-drenivohitra ary ny raharaha mikasaika ny fako no anisany ho velabelarina mandritran’ny fihaonana.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT