Politique

Fivorian’ny filohana parlemantera maneran-tany Manameloka ny fanonganam-panjakana aty Afrika ny Malagasy


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Manomboka omaly 7 septambra 2021 ary hitohy anio ny fivoriambe iraisam-pirenena andiany faha-dimy ho an’ireo Filohan’ny Parlemanta maneran-tany, izay atao any Vienne, Autriche.

 Manatrika izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana. Ankoatra izao fivoriambe izao dia notanterahina ny 6 septambra ny fivoriana andiany faha-13 ho an’ireo Filohan’ny Parlemanta vehivavy ary ny faha 9 septambra ny fivorian’ny Parlemantera hiadiana amin’ny asa fampihorohoroana. Nandritra io, nihaona tamin'ny Filohan’ny «76ème Session de l'Assemblée Générale des Nations Unies » Andriamatoa Abdulla SHAHID ireo filohana andrim-panjakana roa avy aty Madagasikara. Teboka manokana mahakasika ireo olana roa goavana misy maneran-tany, indrindra eto Madagasikara no noresahin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Andaniny, eo amin’ny lafiny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny voka-dratsy aterak'izany eo amin'ny lafiny tontolo iainana sy ny lafiny ara-toe-karena ary ny lafiny ara-tsosialy. Ankilany, ny asa fampihorohoroana izay efa mihanaka tokoa manerana izao tontolo izao, ny herisetra ary ny fanonganam-panjakana izay mahaksika manokana ny Kaontinanta Afrikana sy Faritra hafa manerantany. Nanentana ny Filohan’ny «76ème Session de l'Assemblée Générale des Nations Unies » ny Filohan'ny Antenimierandoholona mba hanameloka ireo fikasana hanongam-panjakana izay miverimberina matetika aty Afrika. Tsiahivina moa fa izy ireo dia nanongam-panjakana tamin’ny 2009. Notsindriany manokana tany Vienne kosa ny fikasana hifofo ny ain'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo mpitondra ambony sasantsasany. Tamin’izao fotoam-panokafana ny Fihaonambe iraisam-pirenena omaly, ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Kestiora Andriamatoa Eddie Serge Fernand dia nandray ny fanapahan-kevitra ny hanohana ny “forum”- n'ireo Parlemantera tanora ary koa hanohana ny fampielezan-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenen’io forum io izay milaza hoe "ENY ho an'ny tanora maro kokoa eo anivon’ny Parlemanta". Ny Parlemantera Tanora Malagasy Miarintsoa Andriantsitonta moa dia mpikambana ao amin'ny “forum”-n'ny parlemantera tanora.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT